airtel

Fifamoivoizana

11-déc-2025

Fitaterana gaboraraka eto

Antananarivo Zazavavy 6 taona

Sample post image

latsaka, voahosy, namoy ny ainy

11-déc-2025

Ankoatra ny fitohanan'ny fiara etsy sy eroa dia anisan'ny olana goavana sedrain'ny olona amin'izao ankatoky ny Fetin'ny Noely sy ny faran'ny taona ny fisisihana taksibe eto Antananarivo. Na tsy vaninandro fety aza fa mandavan-taona ! Saika ahitana izany avokoa manerana ny renivohitra sy ny manodidina indrindra fa amin'ny ora fidirana sy firavan'ny mpianatra sy mpiasa. Zazavavy kely iray manodidina ny 6 taona omaly alarobia 10 Desambra no naratra mafy vokatry ny fisisihana bus 114 teny Behoririka. Niakatra tao amin'ny « devant » izy mianaka ka nianjera ilay zaza ary notatazan'ny kodiarana avy aoriana hoy ny vaovao. Raha araka ny fantatra dia anisan'ny antony nampijininika ny ra taminy izany ka voatery nentina niazo ny Hopitaly HJRA Ampefiloha ilay tsy manan-tsiny. Indrisy anefa fa tsy tana ny ainy hoy ny vaovao azo farany omaly hariva. Toe-javatra mampahalelo, manamafy sy manaporofo ny gaboraraka sy ny tsy fisian’ny lamina amin’ny tontolon’ny fitateram-bahoaka eto amintsika ny toy izao. Endriky ny fahapotehan’ny fiarahamonina ny ady sisika, hany ka izay matanjaka ihany matetika no tafiditra, fa ny marefo sy tsy dia matanjaka miandry ny rariny. Efa misy ireo zotra mametraka lamina mba hilaharan’ny mpandeha, saingy an-kavitsiana fa ny ankamaroany dia ady sisika lalandava tsy misy fifampitsinjovana. Mila fanovana sy fanavaoazana!
. Nangonin'i Pati
Légende : Ilay zaza nosakelehin-dReniny niazo ny Hopitaly !

 

Dans la même rubrique