airtel

Fifamoivoizana

01-avril-2022

Fifamoivoizana

Fitateranana Andrasana izay mety ho fidinan’ny saram-piaramanidina

Sample post image

“Tsy voafetra ny fivezivezen’ireo fiaramanidina, afaka mandeha araka izay ho afany ny kaompania”, hoy ny minisitry ny fizahantany, Randriamandranto Joel, omaly.

01-avril-2022

Tokony hampihena ny saran’ny fitaterana anabakabaka izany, hoy izy, izay anisan’ny andrandraina eto amin’ny firenena, mba hampiroboroboana ny fizahantany anatiny sy hanarenana ny sehatra ara-piharian’ny kaompania. ”Tsy maintsy jerena avokoa na ny fepetra ara-pahasalamana na ny toekarena na ny fanaovana ny saran’ny fitaterana na ny saran-dalana anabakabaka”, hoy hatrany izy. Namafisina ny fanaraha-maso amin’ny lafiny rehetra eny amin’ny seranam-piaramanidina, hisorohana ny fandikan-dalàna rehetra, raha ny fanampim-panazavana. Etsy ankilany dia miandry izay fampidinana ny saran’ny sidina amin’ny fiaramanidina izay, indrindra, ireo mpandraharaha mpisehatra amin’ny fizahantany, raha tsiahivina hatrany. Andrasana araka izany ny fepetra maika indrindra ho raisin’ity minisitera ity manoloana ny toe-draharaha.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Efa mampiasa ny angovo azo havaozina ny seranam-piaramanidina ao Nosy-Be,

Card image cap
24-avril-2024

Manohy sy manamafy ny fanoherana ny fampadalovana izany «ligne téléphérique »

Card image cap