tsy andavan'andro ity fitohanan'ny fifamoivoizana eto Antananarivo renivohitra ity. Mitaraina ho sahirana ny ankamaroan'ireo mpamily na mpampiasa lalana, raha ny fanadihadiana natao satria dia mety mahalany solika mihoatra 100% amin'ny mahazatra mihitsy raha vao diso kajy. Isan'ny tena miteraka fitohanana tato ho ato, na amin'ny andro atoandro aza, ireo fanamboarana na fanarenana ampahan-dalana samihafa eto an-drenivohitra toy izay nolalovana tamin'iny Ampandrana sy ny manodidina iny na koa ny eny 67ha eny. Hatramin'ny alin'ny sabotsy teo aza moa dia mbola nahitana izay fitohanana izay koa ny miakatra an'Analamahitsy mihazo an'Ilafy iny.
J. Mirija
Haharaisana fitarainana hatrany ny tsy fanarahan-dalana hataon’ireo taksibe eto