airtel

Fifamoivoizana

26-janv-2026

Fitohanana mivoaka sy miditra an'ITAOSY

Tokony handraisana fepetra,

Sample post image

mitaraina ny mponina

26-janv-2026

Mihamafy hatrany ny fitohanana mivoaka sy miditra ny tananan'Itaosy, distrikan'Atsimondrano. Handaniana 30 minitra ny lalana avy any an-tampon'Itaosy mivoaka Andranonahoatra. Handaniana 30 minitra toraka izay ihany koa ny mivoaka an'Ambonisoa raha mbola olana hafa ny mivoaka an'Ampasika. Ora iray sy 20 minitra ny fiara fitateram-bahoaka iray vao tafavoaka ny tetezana, antony tena mampitaraina ny mponina. Ny mivoaka ny tanana fotsiny io voalaza io fa tena mampiferin'aina ihany koa ny mandeha mody isan'andro. Mahalany ora iray mantsy ny taxibe iray miala eo amin'ny 67 ha mivoaka an'Ampasika. Olana hafa ihany koa ny fitohanana eo Ambonisoa mivoaka Andranonahoatra izay handaniana 40 minitra raha kely. Raha fehezina dia tena mafy ny mahazo ny mponin'Itaosy amin'ny fitohanana isan'andro. Na dia misy lalana hafa aza mantsy mivoaka an'Anosizato dia mitovy ihany ny olana sedraina. Raha vao tsy mahatratra double dia lany eny am-pandehanana hatrany ny ora iray sy 30 minitra, taraiky noho ireo mandeha an-tongotra. Hetahetan'ity mponin'Itaosy araka izany ny handraisana fepetra mikasika ny fitohanana eny amin'iny Faritra iny. Miteraka rarin-tsaina goavana ho an'ny isam-batan'olona mantsy izany no sady mahakizintina ihany koa vokatry ny fotoana lany. Manampy trotraka ireo ny harerahana amin'ny rotoroto isan'andro nefa mbola manao ny hataony ihany ny fitohanana.
Pati
Légende : Tsy mety voavaha ny olan'ny fitohanana eny Itaosy
 

Dans la même rubrique

06-mars-2026

Fatiantoka ho an’i Madagasikara raha tsy mipetraka tsara

Card image cap
05-mars-2026

Ela tsy nisy vahaolana, araraotin'ny fitaterana hanaovana gaboraraka

Card image cap