airtel

Fifamoivoizana

04-oct-2021

Fifamoivoizana

Fitsirihana tany amin’ny RN7 Fiara 134 tamin’ny 680 tsy tomombana avokoa

Sample post image

Nanomboka ny 27 septambra 2021 teo ny hetsika fidinana tampoka eny an-dalambe notanterahin’ny teo anivon’ny Foibe fitsaràna fiarakodia tamin’iny lalam-pirenena faha-07 iny izay notarihin’Atoa RIJA Alberto

04-oct-2021

 “Chef de service des opérations et contrôle routier » Antananarivo. Hatramin’ny zoma 01 oktobra, nahatratra 680 ireo fiara voasava, ka ny 134 tamin’ireo nosintonina ny antontan-taratasy noho ny tsy fahatomombanana. Ny 19,70% tamin’ny nosavaina izany nisy tsy fahatomombanana avokoa. Ny 27 septambra 2021 dia tao Antsirabe sy Ambositra, niisa 85 ireo fiara voasava ; 12 no nahitana tsy fahatomombanana ara-teknika ka natao « Inapte », nosintomina ireo antotan-taratasy momba azy, fiara miisa 04 kosa no nampidirina ambalam-pamonjana noho ny tsy fanaovana fitsirihana ara-teknika (visite technique). Ny 28 septambra 202, tamin’iny làlana Ambositra-Fianarantsoa, fiara 112 no voasava, ka 14 tsy tomombana ara-teknika. Ny 29 septambra 2021 tapany maraina dia Fianarantsoa-Ambalavao, ka fiara miisa 95 no voasava, ny 14 tamin’ireo no tsy maintsy natao « Inapte », 03 kosa tsy mbola nahavita fandraisana ara-teknika (réception technique), 04 no nampidirina am-balam-pamonjana noho ny fahalanian’ny fem-potoanan’ny fitsirihana ara-teknika (visite technique expirée). Nisy ny fivoriana notarihin’Atoa Prefen’i Fianarantsoa, natrehan’ireo tompon’andraikitra maro, ny zandarimaria, ny Fitsaràna, ny Polisim-pirenena, ny ATT, ny Foloalindahy, ny kaominina,… nandinihana izay mety hifanampiana amin’ny hetsika. Ny 30 septambra, fiara miisa 183 no voasava teo an-tampon-tananan’i Fianarantsoa sy teo Iboaka ; 42 tamin’ireo no natao « inapte », 01 kosa no nampidirina am-balam-pamonjana (mise en fourrière). Ny zoma 01 oktobra 2021 dia tao Ampopoka, Interphoto, Tsaramandroso ary tany Mahazengy. Nahatratra 205 ireo fiara voasava ka moto ny 35 tamin’ireo. 07 ny fiaram-panjakana nosavaina ary nahavita fitsaràna ara-teknika avokoa. Nandritr’izany dia 52 ireo fiara nahitana tsy fahatomombanana ara-teknika ka tsy maintsy nosintonina ny taratasy; ny 18 tamin’ireo anefa dia efa tafaverina ny androtr’io ihany taorian’ny fanamboarana nataony ka nandalo contre-visite teo noho eo. Saika fiara mpitatitra olona no akamaroan’ireo tsy tomombana ara-teknika.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Efa mampiasa ny angovo azo havaozina ny seranam-piaramanidina ao Nosy-Be,

Card image cap
24-avril-2024

Manohy sy manamafy ny fanoherana ny fampadalovana izany «ligne téléphérique »

Card image cap