Vokatr’ilay famatsiam-bola SIAD taona 2021 no nahafahana nanamboatra azy io raha araka ny fanazavan’ny solombavambahoaka Anyah voafidy tao amin’ity boriborintany iray ity. Mirefy 7 km izy io raha araka ny fantatra. Mamono olona hatrany io lalana io hatramin’izay indrindra fa rehefa fotoam-pahavaratra tahaka izao, antony tsy maintsy nanamboarana azy. Voakasik’izany manokana ireo ankizy mpianatra noho ny fisian’ny hantsana eny amin’iny faritra iny izay voatery norariana vato mihitsy. Raha araka ny fantatra moa dia hojerena ihany koa manomboka eto ireo lakan-drano rehetra tsentsina ao Andravoahangy izay vokatr’ireo fako sy sachet plastika arian’ny olona ka mivangongo etsy sy eroa manampina ny tatatra. Tonga hatrany an-tokantranon’ireo mponina mantsy izany rano maloto izany raha vantany vao avy ny orana ka tsy vitsy ireo voatery mifandra trano mihitsy.
Pati
Haharaisana fitarainana hatrany ny tsy fanarahan-dalana hataon’ireo taksibe eto