Nitondra fanazavana mifandraika amin’izany ireo mpamily eo anivon’ny tobim-piantsonana Gara Maki Andohatapenaka omaly ka nambaran’izy ireo fa tsy fampiakarana saran-dalana no nataony fa fanitsiana. Nanomboka ny 15 Jolay lasa teo io fampiakarana saran-dalana io ho an’ny lalam-pirenena faharoa sy fahadimy ary tsy hifarana raha tsy amin’ny faran’ny volana Septambra. Fotoana maha betsaka ny mpandeha mantsy ao anatin’ireo fotoana ireo hoy izy ireo hany ka miasa mafy ny fiara sy ny mpamily. Hiverina amin’ny laoniny io saran-dalana io araka ny fanazavan’izy ireo hatrany amin’ny fiandohan’ny volana Oktobra ho avy izao. Hiakatra indray izany hoy hatrany izy ireo manomboka ny datin’ny 15 desambra ka hatramin’ny 17 janoary izay tafiditra ao anatin’ny fialan-tsasatry ny fetin’ny Noely sy ny faran’ny taona. Nisy moa omaly ny fihaonana notanterahin’izy ireo niaraka tamin’ny Ministeran’ny fitaterana mba hahafahana misoroka ny lozam-pifamoivoizana eny am-pandehanana. Tsy maintsy misy mpamily roa araka izany ny fiara iray hivoaka ny faritra ary tsy maintsy manana fotoana hakana aina ihany koa.
Pati
Legende : Midangana ny saran-dalana ety amin’ny tobim-piantsonana Maki Andohatapenaka ety
Haharaisana fitarainana hatrany ny tsy fanarahan-dalana hataon’ireo taksibe eto