airtel

Fifamoivoizana

14-mars-2022

Fifamoivoizana

Hofana Parking, fitakiam-bola be Sao dia mba tsy rariny, hoy mponin’i Mahamasina

Sample post image

Tsy manaiky ny fanesorana aminy toeram-piantsonan’ny fiaran’izy ireo mponin'i Tsimialonjafy, Atsimon'i Mahamasina, Ambanin'Ampahamarinana, ary Ankadilalana mampiasa ny Parking eo Mahamasina sy ny manodidina,

14-mars-2022

 ka raikitra ny grevy ny sabotsy maraina teo. Ambaran'izy fa misy ny fikasana haka vola be ataon'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) amin'ny alalan'ny SMGD (Société Municipale de Gestion Digitale) izay solon'ny Easy Parc, izay mitaky vola 5000 Ar isan'andro na 500 Ar isan'ora. Amin'izao, 10 000 Ar isaky ny fiara isam-bolana anefa no aloha amin'ny Kaominina amin'izao noho ny fametrahana fiara amin’ny alina, ary afaka mijanona eo amin’ny atoandro. Misy ihany koa ny vola aloa amin'ny fokontany, ka 15 000 Ar izany izany raha ho an'ny fokontany Mahamasina Tsimialonjafy, izay misy fiara 50 eo. Nilaza ho manana fifanarahana ara-dalàna tamin’Atoa ben’ny tanàna teo aloha, nampanantsoina tany, ary nifanaraka hatrany, hoy izy ireo. “Manodidina ny 200 eo ny fiara, raha toa ka 5000 eo ny mponina eny Ampamarinana. Kisilasila ny toerana misy anay, ka tsy misy tokontany, tsy misy fotodrafitrasa, tsy tahaka ny eny Ampefiloha na Ambohipo, 67Ha,… ka hanana “Parking” manokana, hoy Atoa Haja Filohan’ny Fikambanana Tokontanibe sady solontenan’ny mponina. “Io no fametrahanay ny fiara hatramin’izay, ary na ireo mpianatra tonga sy handeha hanao “voyage” aza dia mampiasa ity toerana ity, hoy ny fanehoan-kevitra. Tonga tampoka teo ny anefa ny SMGD, ary nametraka “contravention” avy hatrany tamin’ny fiara mipetraka teo amin’ny Parking sy ny sisin-dàlana, ka 12 000 Ar io, ary efa maro be no nozaraina hahazoan’ny CUA volan-tsazy. “Tsy manaiky ny tsindrihazolena ataon’ny SMGD izay tonga dia maka ny “Parking” anay sy mametaka “contravention” amin’ny fiaranay izahay. Tsy mety, ary tsy manaja anay, ny fitondram-panjakana nifandimby teto dia nanome toerana ho anay. Afaka migoka ny sisin-taninay tontolo andro”, hoy hatrany Atoa Haja. Efa eny an-toerana etsy an-kilany ny "horodateur" SMGD fikajiana ny ora nijanona. Hisy ny fifampiresahana eo amin’ny solontenan’ny mponina sy ny CUA anio, ka ho hita eo ny tohiny.
Toky R
 

Dans la même rubrique

03-mai-2024

Tsy niova ny tamberim-bidy raisin’ny kaompaniam-pitaterana ana habakabaka Ravinala Airports

Card image cap
02-mai-2024

Manana kaompania fa tsy manana fiaramanidina ! Nakatona nanomboka omaly 01 mey

Card image cap
02-mai-2024

Nisehoana lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona teny amin’ny Digue Ampitatafika omaly hariva efa madiva ho alina

Card image cap