airtel

Fifamoivoizana

03-août-2023

Fifamoivoizana

Kanoty tafahitsoka tampovoan-drano Andrasana hatramin’izao ny fivoaran’ny toe-draharaha

Sample post image

Kanoty na “canoë” iray avy any Ankaramalaza no tafahitsoka tam-povoan-drano omaly nanomboka tamin’ny 3 ora tolakandro,

03-août-2023

raha ny fampitam-baovao voarain’ny isan’ireo mpiray dia tao anatin’izany, dia ny mpanakanto Pa’Hery. Hatramin’ny 9 ora alina teo, ora nanoratan’ity mpanakanto ity ny zava-misy niainan’izy ireo iny omaly iny, no nilazany fa tsy nisy vahaolana hita mihitsy. Miha mangatsiaka nefa ny andro. Mitombo ny fitaintainan’ireo mpandeha. Tsy misy ny sakafo kanefa dia misy zaza amam-behivavy ao anatin’ilay sambo kely. In-3 nanosika, hoy hatrany ny fampitam-baovao, saingy ny niafarany dia tafahitsoka tanaty vato, ny andro miha maizina ka dia manaitra ireo tomponandraikitra sy malala-tanana afaka hamonjy. Hatramin’ny ora nanoratanay dia mbola tsy nisy fanampim-baovao heno aloha mikasika ity toe-draharaha ity fa dia andrasana hatramin’izao izany ny fivoarany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

22-mai-2025

Haharaisana fitarainana hatrany ny tsy fanarahan-dalana hataon’ireo taksibe eto

Card image cap
22-mai-2025

Nifampitadiavana ny vatana sy lohan’ilay mpandeha an-tongotra

Card image cap