Nandritra ny fivoriana fandaminana notarihin’ny Ben’ny tanana Randriantsoa Jimmy ny faran’ny herinandro teo no nahafantarana izany. Na izany aza vitsy dia vitsy ireo olona tonga nivory. Saika voasolo tena avokoa kosa anefa ireo Fokontany manana olana amin’ny fitaterana rehetra. Ho an’ny Zotra F miainga eny amin’ny Cnaps ary dia fantatra fa 1.000 Ar ny saran-dalana miazo an’Ambohimarina ao anatin’ny kaominina Alasora. 700 Ar kosa ny miainga eo amin’ny Cnaps miazo an’Alasora, 600 Ar ny miainga eo Ambohimanandraisoa miazo an’ny Cnaps raha 700 Ar ny mampitohy an’Ambodivondava miazo an’ny Cnaps. 600 Ar daholo kosa ny tapa-dalana rehetra. Ho an’ny zotra I indray dia 1000 Ar ny mampitohy an’Ambohijatovo amin’Ambohitanety, 700 Ar ny mampitohy an’Ambohijatovo amin’Alasora raha 600 Ar ny miainga Ambohijatovo miazo an’Ambohimanandraisoa. Tsy tonga nivory moa ny zotra KOMI . Raha araka ny fantatra hatrany dia mbola hisy ny fivoriana hiarahana amin’ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety hahafahana mandamina ny momba ireo Fokontany manana olana amin’ny fitaterana mialohan’ny fidiran’ny mpianatra ka anisan’ireny ny Fokontany Miadana.
Pati
Legende : Nandritra ny fivoriana notanterahina tamin’ny Sabotsy teo
Haharaisana fitarainana hatrany ny tsy fanarahan-dalana hataon’ireo taksibe eto