airtel

Fifamoivoizana

02-févr-2023

Fifamoivoizana

Kaominina Ankadimanga “Simba tanteraka ny lalana, ny fangatahana tsisy valiny”

Sample post image

Simba tanteraka ny lalana ao amin’ny kaominina ambanivohitra Ankadimanga, distrikan’Antananarivo Atsimondrano. Efa misy Fokontany mitoka-monina mihitsy

02-févr-2023

vokatr’izany raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanana ao an-toerana nefa tena anisan’ny mpamatsy vokatra ireo karazana tsena eny Atsimondrano toy ny ao amin’ny Cite Itaosy, Andranonahoatra ary Ambohidrapeto. Tsy ny mponin’Itaosy ihany anefa no maty antoka vokatr’izany raha araka ny fanazavan’ity Ben’ny tanana ity hatrany fa lasibatra ihany koa ny mponin’Antananarivo renivohitra izay zatra miantsena ao amin’ny tsenan’Anosibe. Nomarihiny manokana moa fa mahatratra 6 km eo raha kely ny lalana tokony hamboarina ao Ankadimanga. Tsy maharaka izany anefa ny teti-bolan’ny kaominina raha mihainohaino tsy misy mamaly ihany koa ireo tompon’andraikitra. Efa tamin’ny taona 2020 raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanana izy ireo no nanao fangatahana mifandraika amin’izany saingy tsy mbola misy valiny mandraka ankehitriny. Ankoatra ny haratsian-dalana moa dia fantatra fa mirongatra ihany koa ny hala-botry ao amin’ny kaominina Ankadimanga koa hanaovan’ny Ben’ny tanana antso avo amin’ny tompon’andraikitra.
Pati
Legende : Razafinanja, Ben'ny tananan'ny kaominina ambanivohitra Ankadimanga
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nisehoana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina teny amin'ny Holcim Ambohimangakely omaly 18 aprily

Card image cap