airtel

Fifamoivoizana

03-juin-2024

Lakana nivadika namono olona 8

Ny taona 1984 no nisy loza farany toa io tao Ambatosoratra

Sample post image

Tonga nitsapa alahelo sy nanolotra fao-dranomaso ary vola 400.000ar mba ho fanampiana

03-juin-2024

ireo mana-manjo dobo an-drano tao amin'ny ranon'Alaotra tao amin'ny kaominina Ambatosoratra ny solontenan'ny Governoran'ny Faritra Alaotra afak’omaly sabotsy 1 jona 2024. Teo ihany koa ny talem-paritry ny Mponina sy ny Firaisankiana ary ny Talem-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga. Raha tsiahivina kely ny tantara dia nandeha lakana ireto fianakaviana iray ireto ary lakana roa no nitondra azy ireo izay notarihin'ny Dadabean-jaza. Noho ny andro ratsy anefa dia nivadika ireo lakana ireo ka nodimandry avokoa izy 8 mianaka ny 29 mey lasa teo. Efa hita tamin’io andron’ny sabotsy io moa ireo razana 3 ambiny ary samy nandrasana tao amin'ny Tranom-pokonolona Ambatosoratra ny nofo mangatsiakan'izy 8 mianaka ary efa nalevina omaly Alahady 02 Jona. Fantatra ihany koa fa nisy tranga toy izao tao Ambatosoratra tamin'ny taona 1984 izay namoizana aina 11 be izao izay mbola nandeha lakana koa hoy ireo Tangalamena.
Pati
 

Dans la même rubrique

22-mai-2025

Haharaisana fitarainana hatrany ny tsy fanarahan-dalana hataon’ireo taksibe eto

Card image cap
22-mai-2025

Nifampitadiavana ny vatana sy lohan’ilay mpandeha an-tongotra

Card image cap
21-mai-2025

Olona 2 no fantatra fa namoy ny ainy tao anatin’ny herinandro teto amintsika

Card image cap