teny amin’ny lalam-baovao Tsarasaotra miazo an’Ivato. Raha araka ny fantatra dia vy nandona fiaran'olona ny mpamilin’izy io ka nitsoaka. Nandritra izany anefa no niharan-doza ihany koa ilay fiara ka tavela teny afovoan’ny tanimbary. Nitsoaka ilay mpamily noho izany. Ilay fiara sisa no hitan’ireo olona nanatri-maso nihahaka milomano teny anatin’ny vary maitso. Hatramin’ny omaly hariva dia mbola tsy nahenoana vaovao ny tompon’io fiara io. Notsiahivin’ireo mponina eny an-toerana moa fa tanana heverina ho misy lolo iny faritra misy azy ireo iny. Dimy isan-kerinandro raha kely ireo karazana lozam-pifamoivoizana miseho eny an-toerana ka misy hatrany ny haharatrana olona na hamoizana aina mihitsy.
Pati
Legende : Ity afovoan’ny tanimbary ity ilay fiara !
Haharaisana fitarainana hatrany ny tsy fanarahan-dalana hataon’ireo taksibe eto