airtel

Fifamoivoizana

14-avril-2023

Fifamoivoizana

Lalam-baovao miazo an’Ivato Tafatsofoka tao ambany fiara 4x4 ilay moto

Sample post image

Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina omaly tany amin’ny lalam-baovao miazo an’Ivato. Moto scooter iray handeha hiazo an’Ivato no tafatsofoka tany ambanin’ilay fiara 4x4 teo alohany.

14-avril-2023

Vokany tapaka ny tongotr’ilay mpitondra moto raha nisy fahasimbana ihany koa ilay moto nentiny. Nahitana fahasimbana ihany koa ny ilan’ilay fiara 4x4 izay voalaza fa niezaka ny nandeha mora ihany ka tsy nahafaty ilay mpitondra moto. Tsiahivina moa fa saika isan-kerinandro raha ela indrindra dia misy loza tahaka izao hatrany eny amin’ny lalam-baovao miazo an’Ivato. Tokony ezahin’ny fanjakana hatao ilay sorona famonoan’omby eny an-toerana hoy ny mponina hisorohana ny loza mateti-pitranga tahaka izao. Raha ny finoan’izy ireo mantsy dia efa diso be loatra ireo ra latsaka teny amin’iny faritra iny ka ilaina amin’izay ilay fomba Malagasy hahafahana mampitsahatra izany.
Nangonin’i Pati
Legende : Ilay moto sy ilay nitondra azy niaraka tamin’ilay fiara 4x4
 

Dans la même rubrique

26-mai-2025

Eo am-pikarakarana ny fangatahana famerenam-bola azon’izy ireo hatramin’ny 1 Aprily 2022

Card image cap
26-mai-2025

10km miala na hiditra an'Ambatolampy ilay lalana amboarina, hoy ny tatitr’ireo

Card image cap
26-mai-2025

Tovolahy iray 16 taona no notetezin'ny kamiao afak'omaly Sabotsy 24 May tany Betroka.

Card image cap
26-mai-2025

Mirongatra ny lozam-pifamoivoizana eto amintsika.

Card image cap