airtel

Fifamoivoizana

08-avril-2021

Fifamoivoizana

Lalam-baovao rocade Ny 3 %-n’ireo mponina rava fananana no mbola tsy nahazo onitra

Sample post image

Mbola mahatratra 3 % ny tahan’ireo olona rava trano, tanimbary mbola tsy nahazo onitra avy amin’ny Fitondram-panjakana vokatry

08-avril-2021


 ny asa fanamboarana ilay lalam-baovao rocade Iarivo izay vatsian’ny vondrona Eoropeana vola. Eny amin’ny ivon-toerana natokana ho amin’izany eny Alasora no tokony hanatona ireo voakasika miaraka amin’ny antontan-taratasy rehetra manamarina fa azy tokoa ilay trano nazera na tanimbary nototofana. Raha tsiahivina moa dia olona miisa 615 amin’ny 635 no lasibatr’ity tetikasa iray ity ho an’ny resaka trano. Miisa 738 kosa ireo voakasika tamin’ny resaka tany ka ny 27 amin’izy ireo sisa no tsy nahazo tambiny. Efa vita hatrany amin’ny 92 % moa ny asa fanamboarana ny lalam-baovao Rocade Iarivo raha tsiahivina ary ezahina hisokatra afaka iray volana ny lalana miankina amin’ny toetr’andro.

Pati

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Efa mampiasa ny angovo azo havaozina ny seranam-piaramanidina ao Nosy-Be,

Card image cap
24-avril-2024

Manohy sy manamafy ny fanoherana ny fampadalovana izany «ligne téléphérique »

Card image cap