airtel

Fifamoivoizana

02-mars-2023

Fifamoivoizana

Lalam-pirenena faha-5 Niato nanaraka ny lodsia ny asa fanarenana

Sample post image

Mitaraina ny mpampiasa ny lalam-pirenena faha-5 Toamasina-Foulpointe mirefy 56 km, noho ny fahapotehan’iny lalana iny ankehitriny.

02-mars-2023

Nasiam-panarenana io ampahan-dalana io nanomboka tamin’ny volana novambra 2022. Ny antony nambara tamin’izany dia ho fanamorana ny fifamoivoizana amin’iny lalana iny, mandritra ny taom-piotazana lodsia. Ny orinasa sinoa WIETC no nanao ny asa, dia ny fanarenana sy fanamboarana ireo fotodrafitrasa simba amin'ny lalam-pirenena izay manomboka eo amin'ny PK 7+000 - PK 9+000 ka hatrany amin'ny PK 44+ 000 sy PK 55+000 ary ny fanamboarana ireo tetezana miisa 4 atao "2 voies" mba hampirindra ny fifamoivoizana sy hitsinjovana ireo mpandraharaha mandritra ny taom-piotazana lodsia. Nambara tamin’izay fa haharitra 12 volana ny asa fanamboarana, izay tafiditra ao anatin'ny tetikasa "Projet de Développement Durable des Routes (PDDR)" sy ny "Composante d'Intervention d'Urgence et de Contingence (CERC)" izay vatsian'ny Banky iraisam-pirenena vola hanarenana ireo lalam-pirenena simba tao aorian'ny fandalovan'ireo rivodoza nifanesy. Efa-bolana izay no dila, mbola misy valo volana vao tapitra ny herintaona tokony hifaran’ny asa. Efa tazana amin’iny lalana iny intsony anefa ireo fiara vaventy sy fitaovan’ilay orinasa sinoa nanao ny asa. Toa resa-bola no antony raha ny feo mandeha. Zara raha mitontaly 7km amin’ilay 56 km tokony harenina no notrongisina ka nametrahana vatovato manimba fiara araka ny tarainan’ireo mpampiasa lalana indrindra ireo taxi-brousse. Tsy vao io ihany no nisy filazana hanamboarana iny lalam-pirenena faha-5 iny tao anatin’izao fitondrana izao. Tamin’ny jolay 2019, dia efa nanao be filaza koa ministeran'ny Fanajariana ny tany, ny toeram-ponenana sy ny asa vaventy tamin’izany, fa raisiny an-tanana famatsiam-bola ny fikojakojana ny ampahan-dalana Toamasina – Foulpointe ka fanamboarana ireo lavaka, fanaovana lalana « béton » no tena nifantohan'ny fanamboarana tamin’izay, ary telo volana ny faharetan'ny asa. Toa vao maika fahapotehana anefa no hitan’ny olona maso, tsy arakaraka ny vola be natosaka tao.
Jean D.

 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Naratra mafy ny lohan'ny olona nitondra moto izay nodominao ry mpamily,

Card image cap
22-avril-2024

Tombanana ho vita amin’ny taona 2025 ny lalana mirefy 75, 838km mampitohy an’i Soanierana Ivongo sy Vahibe,

Card image cap