129 km tsy hiditra an’i Toliara. Tao amin’ny fokontany Amboandelaka no nitrangan’izany. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia notorahin’ireo jiolahy tamin’ny vatobe ny parabrise-n’ireo fiarabe. Nokendreny tamin’ny zava-maranitra ihany koa ny kodiarany ka tsy afa-nihetsika intsony ireo fiarabe ireo. Lasan’ireo jiolahy nandritra iany ny vola mitentina 3 tapitrisa Ar niaraka tamin’ny finday maromaro. Ankoatra azy ireo dia taxi brousse iray avy any Fianarantsoa ihany koa no saika lasibatra omaly maraina ihany saingy narovan’ny zandary ireo mpandeha tao anatiny ka tsy nisy voakasika. Hetahetan’ireo mpamily taxi brousse sy fiara vaventy araka izany ny tokony hanarahan’ny mpitandro ny filaminana maso akaiky ireo ny lalam-pirenena rehetra eto amintsika. Ho an’ny taxi brousse dia tokony averina ny mpitandro ny filaminana manaraka azy ireny raha tsy tokony hofoanana ihany koa ny fiarahan’ny fiara miaraka na ny caravane.
Nangonin’i Pati
Nivadika ny fiaran-dalamby Fianarantsoa Côte Est, omaly Alarobia 20 Septambra tokony ho tamin’ny 10 ora maraina.