Ny mampalahelo sy mampitaraina ny rehetra anefa dia saika potika tanteraka ny lalana mivoaka ny faritra rehetra toy ny miazo ny lalam-pirenena faha-efatra izay manomboka etsy Manerinerina raha toraka izany ihany koa ny miazo ny lalam-pirenena faharoa…. Raha lalana tokony natao adin’ny 5 ny miazo an’i Toamasina teo aloha dia lasa hatao adin’ny 13 ora amin’izao. Omaly raha araka ny vaovao vao tonga nijery ireo teboka tena ratsy any amin’ny lalam-pirenena faharoa ny Ministeran’ny asa vaventy izay nanamafy fa tsy noho ny fitokonana hataon’ireo mpitatitra akory no antony hanamboarany ny lalana fa noho ny fandaharan’asam-panjakana. Nanomboka teo amin’ny teboka faha-11 no nojereny ka hatramin’ny faha-48. Ny banky iraisam-pirenena no hamatsy vola izany izay hatao manara-penitra raha horaisin’ny fitondram-panjakana an-tanana kosa ny fanamboarana ny lalana eo amin’ny teboka faha-48 ka hatramin’ny faha-78. Hatao manara-penitra haharitra 5 taona moa ny asa raha ao Moramanga no hofaranana ny asa fitsirihana amin’ny faran’ny herinandro ho avy io.
Pati
Legende : Efa potika tahaka izao ny lalam-pirenena faharoa vao amboarina !
Mijoro manomboka anio alatsinainy 19 may 2025 ny antsoina hoe Gasy MRV
Misy hatrany ireo olona maty vokatry ny loza ateraky ny kodiaran-droa eto amintsika.
Niakatra fampanoavana androany i Kiady, mpilalao sarimihetsika malagasy,