airtel

Fifamoivoizana

08-janv-2024

Lalana Ampitatafika – Vinany

Simba isan-taona, amboarina isan-taona

Sample post image

Misy ampaha-dalana mirefy 20 metatra eo ho eo no potika

08-janv-2024

tanteraka amin’ny lalana rarivato mampitohy an’Ampitatafika amin’Ambohikely sy Vinany Loharanombato. Ilay eo amin’ny BNI no miakatra mianavaratra iny ho an’izay efa mpandeha aminy. Ny nilatsahan’ny orana no ela dia nivadika ho fotaka mandrevo sy lavaka ilay lalana rarivato izay vao namboarina herintaona mahery kely lasa izay. Tsy vao tamin’ity taona ity ihany no amboarina sy simba io lalana io fa efa ho 10 taona teo ho eo izao ; izany hoe tany amin’ny fitondrana tetemaita no efa raikitra ny fanamboaran-dalana tany amin’iny faritra Atsimondrano iny ka ireo lalan-tany teo aloha dia navadika rarivato avokoa. Ampitatafika mifandray amin’Ambohimamory, Vinany, Ambavahaditokana, Andranonahoatra. Ny tena mahagaga anefa dia eo amin’io ampahan-dalana kely eo Ampitatafika io dia simba isan-taona ihany koa. Tena olana ara-tekinika tamin’ny fomba nanaovana ny fanamboarana ny fahitana ilay izy satria toerana somar milasataka izay ilay izy ka rehefa avy ny orana dia mora miangona ny rano, ary mafy dia mafy ihany koa ny tosiky ny riaka sy rano be rehefa tena fahavaratra hany ka manongotra avy hatrany ireo vato nanamboarana ny lalana. Ny fomba nametrahana ireo rarivato koa dia tsikaritra fa kitoatoa ihany, any anaty fanaraha-maso ara-tekinika moa dia efa tsy resahana intsony fa anisan’ny lesoka lehibe ami’ny fanamboaran-dalana eto Madagasikara. Tsy mifanaraka mihitsy amin’ny toe-tany sy ny zava-misy ny ankamaroan’ny lalana amboarina, tsy manaja ny fenitra hany ka simba isan-taona. Raha ny tokony ho izy anefa maharitra 30 ka hatramin’ny 50 taona tsy izany lalana vao namboarina izany. Porofo iray amin’ny kitooa amin’ny fomba fiasa sy ny fitantanana misy eto ity tranga eny Ampitatafika ity, ka mila mba dinihan’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny izany fa tena tsy lojika mihitsy izany hoe lalana simba isan-taona dia amboarina isan-taona izany.
RTT
 

Dans la même rubrique

14-mai-2024

vao ny atoandro no nisy fiara nifandona tamin’ny kodiaran-droa na «moto»

Card image cap
13-mai-2024

Ranolava ny tsikera mikasika ny fisiana tsolotra sy kolikoly eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato,

Card image cap
13-mai-2024

Zaza miisa 2 no maty ary zaza iray no mbola any amin’ny hopitaly,

Card image cap
13-mai-2024

Fiara nitondra mpianatra , niala avy any Andranomafana , distrikan’Ifanadiana omaly Alahady 12 May

Card image cap
13-mai-2024

Tsy manao asa ratsy eo amin’ny faritra misy azy ny ankamaroan’ireo jiolahy eto an-drenivohitra sy ny manodidina

Card image cap