airtel

Fifamoivoizana

30-mars-2023

Fifamoivoizana

Lalana Ankadimbahoaka-By Pass Natao resaka akamakama indray ?

Sample post image

Mandeha indray ny fomba fiasa hafahafan’ny Fanjakana ankehitriny eo amin’ny lafiny fanamboarana làlana. Asa maika na “travaux d’urgence”

30-mars-2023

no nentina nanamboarana ny làlana mampifandray an’Ankadimbahoaka-By Pass. Tao anatin’ny 10 andro no nanaovana ny asa, volam-panjakana amin’ny alalan’ny ministeran’ny asa vaventy. Voalaza anefa, fa tsy nisy antso tolo-bidy fa tonga dia nomena ilay orinasa. Io orinasa io ihany koa no nahazo ny tsena fanamboaran-dalana eny Ambodin’Isotry–67 ha. Nisy fotoana efa tazana nanamboatra lalana teny Andranonahoatra ihany koa izy io. Mahoraka be fa tandapa no tompony. Izao izany no tanjona amin’ilay fanapahan-kevitra tamin’ny 19 janoary fa tsy ampandalovina tsenambaro-panjakana ny fanamboarana làlana maro noho ny hamehana? Fanahy iniana andrasana simba be mihitsy ve anefa ny lalana, izay vao hoe amboarina dia alefa amin’ilay hoe asa maika dia amin’izay tsy manaraka ny an-tanan-tohatra “appel d’offre”, fa tonga dia atao tolo-botsotra amin’ny akamakama? Efa fomba fiady nandritra ny “covid-19” ny hoe: asa maika dia tsy misy “appel d’offre” noho ny hamehana. Mety noho izany koa ve no nanaovana toetra tsy zaka tamin’ireo orinasa mpikojakoja sy mpanao lalana, tsy nomena vola, ka rehefa kivy sy ketraka dia tsy mazoto hiara-hiasa amin’ny fanjakana intsony dia malalaka be ny lalana ho an’ireo orinasa akamakama hahazo ny tsena rehetra? Tsy maharaka ny fanamboarana ny lalana rehetra eto Madagasikara anefa ireo orinasa akamakama ireo dia ny vahoaka foana no miaritra eo noho ny fitiavan-tena sy ny kiantrano an-trano.
Toky R
 

Dans la même rubrique