airtel

Fifamoivoizana

08-janv-2021

Fifamoivoizana

Lalana eny Ambodivona Tsy mety vita, mahazo vahana ny fitohanana

Sample post image

Tsy mety vita ny asa fanamboaran-dalana eny Ambodivona. Mihamahazo vahana

08-janv-2021

 

 

hatrany anefa ny fitohanana eo an-danin’izay ka mampitaraina ny maro. Ireo taxibe no tena lasibatra raha araka ny fanazavan’ny mpamily iray. Raha tokony hahavita “tour” mandroso sy miverina 4 isan’andro mantsy izy ireo dia lasa nihena ho 2 isan’andro izany sisa. Ny volan’ny tompona fiara anefa eo an-daniny tsy maintsy henjehina. Miantso ny kaominina Antananarivo renivohitra sy ny Ministeran’ny asa vaventy araka izany ireo mpampiasa lalana mba hijery akaiky ity asa fanamboaran-dalana eny Ambodivona ity. Efa ho 2 volana mantsy izay tsy mety vita ny asa nefa anisan’ny toerana be olona sy mpampiasa lalana iny faritra iny.

Pati

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Efa mampiasa ny angovo azo havaozina ny seranam-piaramanidina ao Nosy-Be,

Card image cap
24-avril-2024

Manohy sy manamafy ny fanoherana ny fampadalovana izany «ligne téléphérique »

Card image cap