eto an-drenivohitra ny Ministeran'ny Asa Vaventy. Ny lalana Androndra hatrany amin’ny sampanan’i Mahazoarivo sy ny lalana Ankazotokana Andohalo no nisantarany izany tamin'ity herínandro ity. Fanampenana ny lavadavaka no asa tena natao, ho fanamaivanana ireo fahasimbana efa maro loatra amin’ny làlana. Ezahina hatao haingana araka izay tratra izany na eo aza ny fahasarotana ateraky ny orana izay mampiadana ny asa indraindray. Miasa andro aman’alina ny ekipan’ny Ministeran’ny Asa Vaventy, mba hahazoana mamerina milamina haingana ny fivezivezena ho an’ny mpampiasa lalana hoy ny vaovao.Natomboka omaly Alarobia 28 Janoary ihany koa ny fanamboarana ireo lavaka eo amin’ny Rond-point Anosy sy Antanimbarinandriana, vokatry ny fahasimban’ny bizo ao ambanin’ny lalana.Rehefa vita ny asa ataon’ny kaominîna Antananarivo renivohitra dia haverina avy hatrany amin’ny laoniny ny làlana eo amboniny. Mitohy hatrany ny fiaraha-miasan’ny Ministeran’ny Asa Vaventy sy ny Kaominina Antananarivo, ao anatin’izao asa maika fanarenana ny lalana eto an-drenivohitra izao, ho tombontsoan’ny vahoaka sy ny mpampiasa lalana rehetra.
Nangonin'i Pati
Légende : Tahaka izao ny asa efa mandeha !
Ela tsy nisy vahaolana, araraotin'ny fitaterana hanaovana gaboraraka