airtel

Fifamoivoizana

06-janv-2023

Fifamoivoizana

Lalana etsy Ambodin’Isotry 5 taona tsy nisy fanamboarana

Sample post image

Anisan’ny lalana voasokajy ho be mpivezivezy indrindra ny lalana etsy Ambodin’Isotry, kaominina Antananarivo renivohitra.

06-janv-2023

Mahatratra an-jatony isan’andro mantsy ireo fiara mivezivezy eny an-toerana indrindra fa ireo taxibe miasa eto an-drenivohitra. Ny mampalahelo anefa raha araka ny fitarainan’ireo mponina dia efa 5 taona izao no tsy nisy fanamboarana intsony ity lalana ity. Misy hatrany ny fitohanana eny an-toerana noho izany izay tena mampikolay ny maro tokoa indrindra fa rehefa sabotsy andro tsena. Manampy trotraka izany hoy ireo mponina ny fisian’ireo rano maloto avy any an-tokantranon’ireo mponina sasany migorodana avy hatrany eny amin’ny arabe ka sady miteraka fofona sy loto no vao mainka manimba sy mangoaka ilay lalana. Ho an’ny taxibe 147 manokana moa dia fantatra fa tsy maintsy mampiasa iny lalana iny izy ireo isan’andro. Ny olana anefa dia mila tsy hahafeno versement izy ireo vokatr’ilay fitohanana eny an-toerana hany ka miraviravy tanana ireo mpamily sy ny mpanampy azy. Ankoatra ny lalana eny amin’ny 67 ha moa dia misy simba tokony hamboarina ihany koa ny eny Ampefiloha sy Ankasina ka tokony handraisan’ny Fitondram-panjakana andraikitra.
Pati
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Efa mampiasa ny angovo azo havaozina ny seranam-piaramanidina ao Nosy-Be,

Card image cap
24-avril-2024

Manohy sy manamafy ny fanoherana ny fampadalovana izany «ligne téléphérique »

Card image cap