fa amin’izao andro fahavaratra izao dia hita fa miha ratsy ny lalana misy anatin’ny distrika. Isorohana ny fahasimbana sy ny loza mety hitranga aterak’izany dia tsy azo ataon’ny fiara rehetra ny mifamezivezy rehefa avy ny orana amin’ireto lalana mampitohy ireto kaominina manaraka ireto dia ny kaominin’ambanivohitr’Andramasina ka hatrany Alatsinainy Bakaro, Andramasina hatrany Ambohimiadana, Kaominin’ambanivohitr’i Mandrosoa sy Sabotsy Manjakavahoaka ary Anosibe Trimoloharano. Noho izany dia tsy maintsy miandry ny orana mitsahatra vao afaka mandeha. Ny mpitandro filaminana no mampihatra ny fanataterahana izao naoty izao. Hisy ny fampiharana ny sazy raha mandika ireo voalaza etsy ambony, hoy hatrany ity naoty hita ho niparitaka omaly ity. Nakanaka sary sy nitsangatsangana fotsiny ve izany, hoy ny fanontanian’ireo mpanara-baovao ireo hita ho nitondra fitaovana fanamboaran-dalana tany an-toerana? Izay ihany koa ve izany no valin’ny fanontaniana napetrakana filohana antoko politika iray izay hoe nankaiza ny volan’ny FR na “Fond routier” natao hanamboaran-dalana?
J. Mirija
Mijoro manomboka anio alatsinainy 19 may 2025 ny antsoina hoe Gasy MRV
Misy hatrany ireo olona maty vokatry ny loza ateraky ny kodiaran-droa eto amintsika.
Niakatra fampanoavana androany i Kiady, mpilalao sarimihetsika malagasy,