tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 26 Mai 2023

airtel

Fifamoivoizana

Làlana potika tsy misy mpijery Moto no itondrana razana any Anosibe an’Ala

Miantra aman’aina tanteraka ny fahapotenan’ny làlana mampitohy an’i Moramanga sy Anosibe an’Ala.

10-févr-2023

Sample post image

Eo amin’ny 71km eo ny halaviran’io saingy manisa andro maro na mety ho volana mihitsy aza vao tonga any ny fiarabe kamio ireny raha ho tonga aza. Moto sisa no hany fitaterana ho an’ny olombelona, saingy efa tena ady mafy vao tonga any. Mampahonena ny zava-misy satria hatramin’ny razana aza dia hoentina amin’ny moto satria io sisa no hany vahaolana, tsy manan-tsafidy, fa dia ny fahatongavana any an-tanàna no zava-dehibe. Efa hatry ny ela no nampitaraina ny olona any an-toerana io saingy toa sehoseho no betsaka, kanefa hatramin’ny Filoham-pirenena aza toa efa tonga tany nampiseho “engins”. Ny vidim-piainana etsy andaniny miha midangana andro aman’alina satria ady aman’aina vao tonga any ny entana, mitombo ny mason-karena noho ny fahasarotan’ny fitaterana,… Tena ara-bakiteny ny hoe: lasa tany lavitr’andriana. Asa miandry propagandy manaraka indray ve hanaovana fampantenana fa tena hatao amin’izay ny làlana? Tsy any ihany io fa faritra maro manerana ny Nosy no mitaraina.
Toky R
 

Dans la même rubrique

Voir plus