airtel

Fifamoivoizana

18-janv-2024

Làlana tapitra potika

Noho ny tsy fikojakojana, tena miantraika any am-bilany…

Sample post image

Mandany adiny 12 vao vita ny lalana miala avy any Mandritsara mankany Antsohihy,

18-janv-2024

lalam-pirenena faha-32. Mahatratra 24 ora kosa ho an'ireo fiara vaventy mitondra entana. "Mivatsy karazan-tsakafo no tena mety raha tsy izany lanilany foana ny vola eny an-tanana", hoy i Claudio mpandeha amin’iny lalàm-pirenena iny, hita tamin’ny vaovao an’habaka iray omaly. Tena potika tanteraka vokatry ny tsy fisian’ny fanamboarana sy fikojakojana tao anatin’ny taona maro. Tsy any an-toerana ihany, fa saika manerana ny Nosy, ary betsaka ny faritra mitoka-monina. Efa nanaovana kisehoseho politika nampisehoana « engins » mihitsy izany làlana makany Anosibe an’Ala izany, efa nanaovan’ny depioten’Ikongo antso imbetsaka izany makany Ikongo izany,… Tena mitombona tanteraka anefa ilay hoe : azo hohanina ny làlana satria miankina amin’io ny vidim-piainana. Rehefa ratsy sy potika ny làlana dia sarotra ny fifamezivezen’ny entana ilaina andavan’andro, ny famoaham-bokatra, ny famatsiana entana,… Miakatra ny fandanian-tsolika izay mampiakatra ny mason-karenan’ny fitaterana, ary miakatra mazava ho azy ny vidim-piainana, ka miantraika any am-bilany. Tompon’andraikitra voalohany ny Fanjakana, kanefa tsy mahavita ny asany. Vao ny làlam-pirenena no resaka dia tsy vita, tsy mazava ny fitantanana, tsy fantatra izay alehan’ny vola miditra amin’ny « Fonds Routiers » izay alaina mivantana amin’ny solika vidian’ny mpampiasa fiara,… mainka fa ireo làlana maro mampifandray ny distrika sy kaominina maro. Resaka sy seho ivelany no betsaka, ka ireo ampahany vita izay nisy tao anatin’ny fitohizan’ny fitantanan-draharaham-panjakana no atao litania ny fitanisana azy, fa ireo potika sy tsy noraharahiana noho ny tsy fahaiza-mitantana adino. Tany amin’ny Choiseul Business Africa Forum tany Casablanca Maroc ny novambra 2022 dia nampanantena Atoa Andry Rajoelina fa 6800 ka hatramin’ny 10800 km ny làlana hataony ao anatin’ny 5 taona kanefa ny eo aza tsy voakarakara sy tapitra potika ka mila atomboka amin’ireny angamba.
Toky R
 

Dans la même rubrique

14-mai-2024

vao ny atoandro no nisy fiara nifandona tamin’ny kodiaran-droa na «moto»

Card image cap
13-mai-2024

Ranolava ny tsikera mikasika ny fisiana tsolotra sy kolikoly eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato,

Card image cap
13-mai-2024

Zaza miisa 2 no maty ary zaza iray no mbola any amin’ny hopitaly,

Card image cap
13-mai-2024

Fiara nitondra mpianatra , niala avy any Andranomafana , distrikan’Ifanadiana omaly Alahady 12 May

Card image cap
13-mai-2024

Tsy manao asa ratsy eo amin’ny faritra misy azy ny ankamaroan’ireo jiolahy eto an-drenivohitra sy ny manodidina

Card image cap