airtel

Fifamoivoizana

24-janv-2024

Làlana Tsarasaotra-Ivato

Mpitondra moto vao 19 taona maty tsy tra-drano

Sample post image

Tovolahy vao 19 taona antsoina hoe Titosy,

24-janv-2024

mpianatra taona fahatelo ao amin’ny LTP Alarobia, tokony hanala fanadinana Bakalorea amin’ity taona ity, no maty vokatry ny lozam-pifamoivoizana teny amin’ny làlana Tsarasaotra-Ivato omaly tokony ho tamin’ny 12 ora sy sasany teo ho eo. Voalaza fa nisongona fiara sy nifanenjika tamin’ny moto izy io, kinanjo nifanehitra tamin’ny kamio, mafy ny fifandonana sy ny fahavoazana, ka nitarika tany amin’ny famoizany ny ainy. Tafasitrika tao ambany kamio ilay moto, ilay tovolahy kosa nipitika. Roa lahy izy ireo no niaraka, samy nitondra moto, ary an-dalana hody eny Ivato no izao tra-doza izao. Tsiahivina fa voafetra ho 60km/ora ny hafainganam-pandeha izorana amin'iny lalana mampitohy an'i Tsarasaotra amin'iny Ivato iny.
Nangonin’i Toky R
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Mirongatra sy mahazo vahana ny lozam-pifamoivoizana eto amintsika.

Card image cap
15-mai-2024

Tranga roa samihafa no niseho teto amintsika Omaly Talata 14 May mikasika ny tsy fanarahan-dalana

Card image cap
14-mai-2024

vao ny atoandro no nisy fiara nifandona tamin’ny kodiaran-droa na «moto»

Card image cap