airtel

Fifamoivoizana

20-juil-2026

LALANA Tsiroanomandidy

– Maintirano

Sample post image

Efa eny an-kianja ireo "Engins" hanaovana ny asa

20-juil-2026

Tonga ny sabotsy 18 jolay 2026 teo ao Tsiroanomandidy, renivohitry ny Faritra Bongolava, ireo "Engins" andiany voalohany an'ny Jenia Miaramila hanatanteraka ny fanamboarana ny Lalam-pirenena voalohany bis (RN1bis), mampitohy ny Faritra Bongolava sy ny Faritra Melaky, amin'ny zotra Tsiroanomandidy – Maintirano. 406 km io halaviran-dalana io ka any amin'ny 3 na 4 andro any no hanaovana azy amin'izao fotoana main-tany izao. Tena zava-doza ny lalana amin'ny fahavaratra. Fampanantenan'ny Filohan'ny Fanavaozana Kolonely Randrianirina Michaël ny hanokatra sy hanatsara ireo lalana stratejika manerana an'i Madagasikara, hanala ny fitokana-monina ary hanamora ny fivezivezen'ny olona sy ny entana. Faritra 2 samy manana ny maha izy azy sy manankarena ireo, mifamelona no sady afaka mamatsy faritra hafa saingy io lalana io no tena olana. Iaraha-mahalala fa any Maintirano no misy ny solika mavesatra azo trandrahana tsara ao Tsimiroro. Maro ireo orinasa tena mila azy io indrindra ho an'Antananarivo sy Antsirabe ka raha vita io lalana mampitohy an'i Maintirano sy Tsiroanomandidy io dia efa mamaha olana goavana be ary hisy vokany tena tsara amin'ny toekarena.
Nangonin'i RTT
 

Dans la même rubrique