Tsy lazaina intsony ny fidangan'ny vidim-piainana izay mampikolay ny vahoaka noho faharatsian'ny lalana. Nampian'ny solika miakatra dia tsy zaka intsony ny vidin'entana satria dia vitsy ireo kamiao mitatitra entana any an-toerana. Efa matetika no manao antsoavo ny amin’ny tokony hanamboarana ity lalana ity ny Solombavambahoaka voafidy tany an-toerana ary mbola noresahan'ity olomboafidy ity izany nandritra ny fivoriana teny anivon'ny antenimieram-pirenena farany teo. Nandritra ny fandalovan'ny filoham-pirenena tany Anosibe An'ala dia nanambara mikasika ity lalana ity hatrany ny tenany ary misy hatrany ny dom-baravarana ataony eny anivon'ny ministera tomponandraikitra ary ny farany teo dia ny fihaonany tamin'ny minisitra mpiahy ny faritra Alaotra Mangoro. Nisy ihany ny fitaovana na “engins” nalefan'ny faritra hanamboarana ireo teboka mainty na “point Noir” rehetra saingy avy ny orana. Nampian'ny rivodoza nifanesy dia potika hatrany izany. Nilaza ny filoham-pirenena raha nandalo tany an-toerana fa tra-pahasahiranana ny mponina eto Anosibe An’Ala sy ireo kaominina manodidina azy noho ny fahasimban’ny lalana RN 23A mampitohy azy ireo amin’ny tananan’i Moramanga ary mitarika fidanganan’ny vidim-piainana izany. 3 andro no anaovan’ny kamiao ity lalana mirefy 71 km ity izay lalan-tany lasa lalam-potaka. Koa satria mampikaikaika ny mponina izy ity dia hataon’ny fitondram-panjakana ho isan’ny laharampahamehana ny hanamboarana azy haingana amin’ny ampahan’ny hetra azo avy amin’ny orinasa Ambatovy. Matoky tanteraka ny fanjakana ny vahoakan’Anosibe An'ala fa mitana ny teny nomeny ny filoham-pirenena, hoy hatrany ny fampitam-baovao, ka dia ho hita eo indray tokoa.
J. Mirija
Haharaisana fitarainana hatrany ny tsy fanarahan-dalana hataon’ireo taksibe eto