airtel

Fifamoivoizana

01-févr-2024

Lavaka be eo Ambohijatovo

Efa ela ihany no nampitaraina ireo mponina

Sample post image

Mba jereo re tompoko dia amboary haingana io lavaka manoloana an'i Gilbert Rakotomanana

01-févr-2024

miakatra Ambohijatovo io fa tena miteraka fitohanan’ny fifamoivoizana mahatsiravina, hoy ny filohana antoko politika iray omaly tao amin’ny tambazotran-tseraserany nitaraina mafy mikasika ity lavaka be eo amin’ny toerana voalaza teo ity! Bizo na “Buse de 40” no potika ao ary tsy dia tokony ho ela raha ny fahitako ny hadirin’ny fahasimbana, hoy izy. Efa ela ihany moa no nampitaraina ireo mponina eny amin’ny manodidina sy ny mpampiasa lalana eny an-toerana ity toe-draharaha ity. Andrasana indray ny fandraisan’andraikitry ny tomponandraikitra. Handrasana hitovy tamin’ny fiitaran’ny fakobe tetsy Anosipatrana indray ve sanatria? Lavaka be eo afovoanina arabe no resaka eto ary heverina fa tsy ny resaka fitohanan’ny fifamoivoizana fotsiny no mety ho olana aterany fa ahiana mafy mihitsy koa ny sanatria lozam-pifamoivoizana amin’ny endriny maro samihafa.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Mirongatra sy mahazo vahana ny lozam-pifamoivoizana eto amintsika.

Card image cap
15-mai-2024

Tranga roa samihafa no niseho teto amintsika Omaly Talata 14 May mikasika ny tsy fanarahan-dalana

Card image cap
14-mai-2024

vao ny atoandro no nisy fiara nifandona tamin’ny kodiaran-droa na «moto»

Card image cap