airtel

Fifamoivoizana

26-févr-2024

LEHILAHY MATY TAO IFANADIANA

Tombanana ho mamo dia nifatratra tany ambany kamiao

Sample post image

Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina ny Sabotsy 24 Febroary

26-févr-2024

folakandro lasa teo tao an-tampon-tananan’Ifanadiana. Kamiao lehibe iray mitarika feno entana hiazo an’i Manakara no nanitsaka lehilahy iray tombanana eo amin’ny 45 taona eo ho eo hoy ny vaovao ka nipotsaka hatramin’ny ati-dohan’ity farany. Ilay kodiarana aorian’ilay kamiao no fantatra fa nanitsaka azy. Raha araka ny loharanom-baovao hatrany dia nivoaka ny magazay izay tombanana ho avy nisotroany toaka ity lehilahy ity. Tafintohin’ny vato tampoka izy nandritra izany ka avy hatrany dia nianjera ary nifatratra tao amin’ny kodiaran’ilay kamiao lehibe nitarika nandalo. Nipoaka toy ny kodiarana vaky mihitsy ny lohan’ity lehilahy ity hoy hatrany ny vaovao ka tsy nisy azo natao intsony. Tamin’io andron’ny Sabotsy io ihany moa dia nentina natao famorotana ilay mpamily raha nalefa tany amin’ny tranom-paty kosa ny razana niandry ny fianakaviany naka azy.
Pati
Legende : Tsy mamela mahazo ny kamiao semi-remorque tahaka izao rehefa manitsaka !

 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

Fetin’ny Pentekosta hieren-doza, io no tanjon’ny antokon-draharaha misahana ny

Card image cap
15-mai-2024

Mirongatra sy mahazo vahana ny lozam-pifamoivoizana eto amintsika.

Card image cap
15-mai-2024

Tranga roa samihafa no niseho teto amintsika Omaly Talata 14 May mikasika ny tsy fanarahan-dalana

Card image cap