airtel

Fifamoivoizana

22-sept-2021

Fifamoivoizana

Lohamasinina 4 lazaina hamelomana ny FCE “Efa maty kapoka, iray no mandeha ary tsisy frein”

Sample post image

Lazaina fa nisy lohamasinina 4 novidiana tany Espagne. Tamin’ny volana martsa 2020 no nambara fa ny fahazoana izany. “Masinina tsy ara-dalàna satria masinina efa nariana sy tsy miasa intsony tany Espagne.

22-sept-2021

 Rehefa tonga tao Fianarantsoa dia noheverina fa ho afaka ny fahasahiranana, kanefa vao mainka nanampy trotraka satria 14 miliara ny nividianana ireo lohamasinina 4 izay volam-bahoaka. Ny iray izay lazaina mandeha dia tsy misy “frein” na tsindry hisatra, ka aza mandainga sy mifamahan-dalitra eto. Ny filoha tonga dia lamasinina tsy mandeha no nalahatra tao amin’ny Gara”, hoy Rajoma Paul Mpiasan’ny FCE (Fianarantsoa Cote Est) teo aloha tao amin’ny fahitalavitra tsy miankina iray. Nambarany fa maty ilay taloha, dia tsy afaka mihetsika ireo lazaina vaovao, miandry ilay 46 izay masinina efa taloha. Raha te hampandeha sy hamelona marina ny FCE dia hividianana “bougie” ny masinina taloha, dia hatao “revision generale” mba tsy hividianana maotera vaovao, mba ahafahan’ny masinina handeha, hoy izy. Mijaly ny mpiasa satria misy efa 10 taona tsy nandray fisotroan-dronono. Mila arahi-maso ny FCE satria mijaly ny mpiasan’ny FCE, lazao ny marina. Izaho mpiasan’ny làlam-by ary ao anatin’ny “comité férroviaire” aho, hoy hatrany izy. Nahitsy ny tenany nilaza fa mila fanadihadiana satria mijaly ny vahoaka mampiasa azy, ary tsy natao ho an’olon-tokana, tsy natao ho ana fianankaviana, fa nataon’ny vahoaka manontolo, volam-bahoaka no lany amin’izany FCE izany. Misy moa ny voalaza fa fanafarana piesy hoenti-mampandeha ny masinina, fa hatramin’izao aloha izany dia io nambaran’io mpiasan’ny FCE teo aloha io ny zava-misy. Tsy vao izao ny fitondrana ankehitriny no nividy na nitrosa zavatra maty kapoka izay vao mainka mampidi-kizo ny firenena. Isan’izany ny fiaramanidina Airbus tamin’ny tetezamita, izay isika indray no nananan’ny Frantsay volabe sy notoriany, antony iray maha banky rompitra ny Air Madagascar. Vao tamin’ny herinandro no resabe ny raharaha fiaramanidina CASA,…. Misy vola azon’ny mpanao fifanarahana na “commission”, ka dia izay angamba no naha maika.
Toky R
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nisehoana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina teny amin'ny Holcim Ambohimangakely omaly 18 aprily

Card image cap