distrikan’i Manjakandriana, ny faran’ny herinandro teo. Lehilahy iray 41 taona no maty voahitsaky ny kamio lehibe iray. Teny amin’ny lalam-pirenena RN2, tamin’ny ampahan-dalana iray misy fiolanana tsy nasiana famantarana no nitrangan’ny loza. Raha nandalo teny an-toerana ilay fiara avy any Atsinanana ho any Antananarivo, dia niezaka nisoroka lavaka teo amin’ny sisiny, ka nifatratra tany amin’ny mpandeha an-tongotra, ka nahafaty an’io lehilahy io teo noho eo. Tsy nijanona ilay mpamily fa nandositra tsy hita, ka tsy nisy afaka nanamarina na nahafantatra hoe iza marina ilay fiara ? Nampahafantatra kosa ny zandary fa noho ny tsy fahamalinana no nitarika izany loza izany. Natao ny fifandraisana tamin’ireo sampana mpitandro filaminana amin’ny manodidina mba hanara-maso sy hampandre raha misy fiara ahiahiana. Rehefa vita ny fombafomba ara-panjakana sy ara-pitsarana, dia natolotra ny havany ny vatana mangatsiakan’ilay lehilahy.
Asmynah Randriamananjara (mpiana-draharaha)
Haharaisana fitarainana hatrany ny tsy fanarahan-dalana hataon’ireo taksibe eto