airtel

Fifamoivoizana

12-mai-2022

Fifamoivoizana

Loza nahafaty an-dRamarolahy Tanjonirina Omena valisoa izay manam-baovao momba ilay fiara nandona azy

Sample post image

13 andro katroka omaly alarobia 11 mey ny nandaozan-dRamarolahy Tanjonirina Victorio ny tany, ilay tovolahy vao

12-mai-2022

23 taona monja namoy ny ainy tsy fidiny vokatry ny lozam-pifamoivoizana nitranga ny 28 aprily lasa teo tokony ho tamin’ny 06 ora sy sasany hariva. Tonga nanao hetsika fahatsiarovana azy teny amin’ny digy Anosipatrana, toerana manakaiky ilay fakobe izay nandoman’ny fiara azy ireo mpiara-mianatra aminy eny Ankatso sy ny fianakaviany omaly alarobia 11 mey, daty izay tsingerin-taona nahaterahany ihany koa. Ankoatra ny fametrahana ny sariny teo amin’ilay toerana dia nisy ihany koa ny fanateram-boninkazo nataon’iretsy farany ho fahatsiarovana azy manokana. Vonton-dranomaso tanteraka ny fianakaviany nandritra izany indrindra fa ireo nahitany masoandro, fahafatesana izay marihina fa tampoka loatra tamin’izy ireo ary tena nangidy tokoa.
HANAO SOUTENANCE DE MEMOIRE
Raha tsiahivina tokoa mantsy ny tantara dia tovolahy kely tena tsotra Ramarolahy Tanjonirina Victorio. Nahay nifandray tamin’ny rehetra izy fony fahavelony no sady tia fianarana. Tao amin’ny taona fahatelo nanomana ny soutenance de memoire-ny ny tovolahy no izao nopaohan’ny fahafatesana tampoka izao. Ny zoma 06 mey lasa teo no tokony notanterahina izany lanonana izany raha tsy lasa any amin’ny varo tsy mifody izy. Tamin’io datin’ny 28 Aprily io anefa dia mbola nandeha nanatitra ny namany teny Ambohibao tamin’ny moto i Tanjonirina. Raha araka ny fantatra dia mbola niara-nivory tamin’ireo tompon’andraikitra mikarakara ny vatsim-pianaran’ny mpianatra teny amin’ny anjerimanontolo teny Ankatso izy tamin’io andro io ihany saingy tamin’ny 12 ora atoandro kosa. Nandeha namonjy fodiana teny Ankaraobato Tanjombato avy hatrany izy taorian’izany saingy tra-doza teny amin’ny digy Anosipatrana izy sy ilay kodiaran-droa nentiny.
OMENA VALISOA
Raha araka ny loharanom-baovao azo dia nofaohan’ny fiarabe izay tombanana ho nifanena taminy i Tanjonirina. Potika tanteraka ny lohan’ilay moto vokatr’izany. Mbola hita ho niaina kely izy teny amin’ilay toerana nahavoazany raha araka ny fanadihadiana natao saingy rehefa nalana ilay arolohany tonga teny amin’ny hopitaly dia nakipiny ny masony. Mbola saika hanao “scanner” ny lohan’i Tanjonirina ireo namany sy ny fianakaviany nandritra izany. Ny tena nampalahelo anefa dia tsy hita na fantatra akory ilay fiarabe nandona azy fa lasa nitsoaka. Velon-taraina mafy ireo Ray aman-dReniny noho izany na dia efa maromaro ihany aza ireo dingana natao toy ny fametrahana fitoriana fiandry….Hangatahin’izy ireo amin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny araka izany ny tokony hijerena akaiky ity vono olona ity. Miantso ireo izay nahita na manam-baovao mikasika ity lozam-pifamoivoizana namoizany ny menaky ny ainy ity ihany koa ireo Ray aman-dRenin’i Tanjonirina mba hifanampy sy hifanohana aminy. Omena valisoa raha araka ny fantatra izay manana vaovao mikasika izany ary tazonina ho tsiambarantelo ihany ny mombamomba ilay olona. Ny laharam-pinday 034.88.345.46 moa no hahafahana mifandray mivantana amin’ireo Ray aman-dRenin’i Tanjonirina.
Pati
Legende : Nandritra ny fotoana nanateram-boninkazo omaly teny Anosipatrana

 

Dans la même rubrique