airtel

Fifamoivoizana

06-juil-2023

Fifamoivoizana

Loza tany Bekabija Ambatolampy Zaza 2 namoy ny ainy, olona 4 hafa naratra mafy

Sample post image

Zaza roa tsy manan-tsiny tombanana eo amin’ny 2 sy 4 taona eo ho eo no fantatra fa namoy ny ainy omaly vokatry ny lozam-pifamoivoizana nitranga tao Bekabija Ambatolampy,

06-juil-2023

Fokontany Morarano, kaominina ambanivohitra Sarobaratra. Kamio iray nitondra entana no nivadika tamin’izany, 45 km tsy hidirana an’i Tsaratanana. Ankoatra iretsy voalohany dia olona 4 hafa ihany koa no naratra mafy ary mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny CSB II Ambondromamy hatramin’ny omaly hariva, fotoana nahazoanay ny vaovao. Raha araka ny fantatra dia olona hiazo an’i Tsaratanana izy ireo izay mbola tsy fantatra mazava ny isany hatreto. Amin’ny ankapobeny mantsy dia misy hatrany ireo olona mitaingina kamiao fa tsy mandeha taxi-brousse amin’izay mba moramora kokoa ny saran-dalana aloha. Efa eo am-pelatanan'ny mpitandro filaminana moa ilay mpamily hadihadiana mikasika izay antony tena nahatonga ny loza raha efa nampidirina “fourrière” kosa ilay fiara. Tsiahivina hatrany moa fa vokatry ny olana ara-teknikan’ny fiara ny 80%-n’ny loza mety hitranga raha avy amin’ny tsy fitandreman’ny mpamily kosa ny 20%.
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique

22-mai-2025

Haharaisana fitarainana hatrany ny tsy fanarahan-dalana hataon’ireo taksibe eto

Card image cap
22-mai-2025

Nifampitadiavana ny vatana sy lohan’ilay mpandeha an-tongotra

Card image cap