airtel

Fifamoivoizana

11-sept-2023

Loza tany Sambaina RN 7

Maty ny mpanamory ilay moto nanao taingin-droa

Sample post image

Moto iray marika kymco gp (lazaina ho 49CC) nanao taingin-droa izay samy tsy nanao aroloha no fantatra fa niharan-doza

11-sept-2023

tany Sambaina, lalam-pirenena fahafito, PK 133+750 ny faran’ny herinandro teo . Ivelan’ny tanana teo amin’ny fiakarana sady fiolanana no nitrangan’ny loza vokatry ny tsy fahafehezan’ilay mpamily ny familiana. Nidona tamin'ny fiarabe izay mifanena aminy izy ireo vokatr’izany ka vaky ny kodiarana aorian'ilay fiara. Maty kosa ny mpamily ilay moto raha naratra mafy ilay niaraka taminy. Ankoatra ity loza mahatsiravina ity dia fiara 4x4 iray marika kia sorento ihany koa no nandona mpandeha an-tongotra, mbola tany amin’ny Faritra Vakinankaratra ihany. Tao Vinaninkarena pk 178+850 no nitrangan’izany izay lalana mahitsy anaty tanàna. Lehilahy iray 40 taona sy zaza 7 taona no naratra rehefa niampita tampoka ny arabe. Na izany aza efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy izy mianaka ary tsy misy ahiana ny ainy.
Nangonin’i Pati
Legende : Nandriaka tahaka izao ny ra tamin’ilay moto tra-doza !
 

Dans la même rubrique

19-mai-2025

Mijoro manomboka anio alatsinainy 19 may 2025 ny antsoina hoe Gasy MRV

Card image cap
19-mai-2025

Misy hatrany ireo olona maty vokatry ny loza ateraky ny kodiaran-droa eto amintsika.

Card image cap
16-mai-2025

Niakatra fampanoavana androany i Kiady, mpilalao sarimihetsika malagasy,

Card image cap