Raha araka ny fantatra dia zanak’ireo mpivarotra eny amin’ny manodidina izy io. Tsy arak’ilay Reniny intsony araka izany ny fandraisana ireo mpividy sy ny fanaraha-maso ilay zaza ka izao nidiran’andro izao ilay tsy manan-tsiny.Dona in-droa no nahazo ity zaza ity, hoy ireo nanatri-maso. Nipitika ilay zaza tamin’ny voalohany saingy mbola voadona fanindroany indray. Voadona mafy vokatr’izany ny lohany, antony namoizan’ilay zaza ny ain-dehibeny. Ilay moto ihany koa teo an-daniny tsy nijanona fa lasa nandositra, hoy ireo nanatri-maso. Mbola nifampitadiavana moa hatramin’ny omaly io moto nahavanon-doza io.
Nangonin’i Pati
Legende : Teto ilay zaza no voa
Haharaisana fitarainana hatrany ny tsy fanarahan-dalana hataon’ireo taksibe eto