tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 2 Juin 2023

airtel

Fifamoivoizana

Loza teny Ankadindratombo Maty ilay tovolahy voahitsaky ny kamiao

Fantatra omaly maraina, fa tsy tana ny ain’ilay tovolahikely vao 16 iray amin’ireo olona telo voahitsaky ny kamiao mpitondra tany an’ny tetikasan’ny Filoham-pirenena na

14-févr-2023

Sample post image

Projet présidentiel » teny amin’ny By Pass Ankadindratombo ny marain’ny alahady teo. Mbola samy nisy aina izy telo, rehefa avy nesorina tao ambany kodiarana saingy tsy tana kosa ny ain’ilay tovolahy taorian’ny fandidiana natao azy. Ny tapany ambany moa no voatsindry tanteraka tao ambanin’ilay kamio, ary mbola afaka nihetsika ny tapany ambony tamin’ny fotoana nisehoan’ny loza, kinanjo izao tsy tana izao ny ainy. Voalaza fa mbola tsy nisy fianankaviany tonga teny amin’ny hopitaly hatramin’ny omaly misandratr’andro. Avotra soamantsara kosa ireo olona roa hafa, saingy mbola manaraka fitsaboana satria tena voa mafy. Momba ilay fiara kosa, voalaza fa ara-dalàna avokoa ny taratasin’ny fiara raha toa ka mbola eo an-dalana fanaovana fanadihadiana ny mpitandro filaminana momba ny fitaomana ranontany ataony na ara-dalàna na tsia. Notazonin’ny mpitandro ny filaminana tao amin’ny Kaomisarian’Alasora kosa ilay mpamily.
Toky R
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Zotran-dalamby Niverina ofisialy TCE Moramanga-Toamasin
02-juin-2023

aiverina tamin’ny fomba ofisialy nanomboka omaly 01 jona 2023 ny zotran-dalamby TCE Moramanga-Toamasina, izay nosokafan’ny Minisitry ny Fitaterana sy Famantarana ny Toetr’andro,

Card image cap
Madagascar Airlines 34 tapitrisa Euros no trosa hatreto
01-juin-2023

Hatramin'izay nisian’ny kaompania Madagascar Airlines, izay kaompaniam-pitaterana anabakabaka vaovao nanolo ny Air Madagasikara dia 2,5 tapitrisa Euro isam-bolana ny trosany,

Voir plus