airtel

Fifamoivoizana

22-janv-2024

LOZA TENY MAHAMASINA

Tranga tokony hitarika fanovana goavana amin’ny taksibe

Sample post image

Nodimandry ilay tovolahy nitondra moto nodomina avy eo voataritarika tao ambanin'ilay Taxi be

22-janv-2024

teny Mahamasina. Saika nitsoaka ilay mpamily taxibe fa voasambotry ny olona ihany ary efa niharan'ny fitsaram-bahoaka. Tonga moa ny mpitandro filaminana ary efa naka azy. Voalaza fa efa nandona olona tany Tsimbazaza ity Taxibe zotra 154 ity, ka nisy andiana moto nanenjika azy sy niteny taminy mba hijanona, saingy izao no niafaran'ny tantara. Be famaliana be no sady mbola nanao vava be ho tsy matahotra na iza na iza ilay mpamily, hoy ireo nanatri-maso teny an-toerana . Hoy ny fijoroana vavolombelona nataona mpandeha iray : « nandeha an’io Taxi be io aho ary tena mirimorimo, mangalatra aty amin’ny ilay avia amin’ny arabe, mivily tampoka rehefa akaiky ny fiara mifanena aminy. Ny resevera no nitondra fa hoe mbola mifoka sigara any aoriana any ny saofera. » Tranga iray mampalahelo iny namoizana ain’olona, saingy efa maro ireo zava-miseho ataon’ny mpamily sy ny reseverana Taxibe mampitaraina ny mpandeha : loto, tsy fahalalam-pomba, teny an’avona, teny ratsy, mifoka sigara anaty fiara, mifanenjika, miodina an-dalana. Tsy azo resahana milamina fa vao tenenina dia hoe mandehana taxi na manidina rehefa tsy mety aminareo ato. Tsy ny mpamily rehetra na ny koperativa rehetra no misy an’izany fa tena misy kosa anefa. Tsotra ny vahaolana : mila masontsivana mazava tsara ny fandraisana mpamily sy resevera hiasa satria ain’olona no eo am-pelatanan’izy ireo. Tokony hisy ny fiofanana, zavatra efa natao teto izany tamin’ny fitondrana Ravalomanana. Ary fanao amin’ny sehatr’asa rehetra fa tsy hoe amin’ny fitateram-bahoaka ihany.Asiana tomban’ezaka, asiana fanaraha-maso , atao avy eo ny fanatsarana satria mila fahaizana amam-pahalalana ny asa raha tiana ho vita tsara sy tena matihanina ary hahazoam-bokatra tsara. Mila fandaminana asa matotra ihany koa ny koperativa sy ireo tompona fiara fa matetika mirehareha ho manana « patron » matanjaka sy mafy be ny mpamily ka milaza fa tsy matahotra na iza na iza. Mbola resaka hafa mila vahaolana matotra ilay mametraka kely amin’ny polisy.
RTT
Sary fanehoana
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Mirongatra sy mahazo vahana ny lozam-pifamoivoizana eto amintsika.

Card image cap
15-mai-2024

Tranga roa samihafa no niseho teto amintsika Omaly Talata 14 May mikasika ny tsy fanarahan-dalana

Card image cap
14-mai-2024

vao ny atoandro no nisy fiara nifandona tamin’ny kodiaran-droa na «moto»

Card image cap