no nifandona tamin'ny fiara vaventy an'ny orinasa Star avy any Ambatolampy handeha ho any Manakara, omaly, tokony ho tamin'ny 3 ora folakandro, tao Mahatsanda kaominina Ilaka Centre, distrikan'Ambositra, raha ny fampitam-baovao voaray. Miisa 2 no maty ka ny mpamily ilay fiara sprinter ny iray. Mpandeha vehivavy kosa ny iray. Mpandeha miisa 18 no naratra mafy. Efa nahazo fitsaboana tao amin'ny CSB 2 Ilaka Centre ireo. Nisy ny fahasimbana goavana teo amin'ilay fiara Sprinter mpitatitra olona sy ilay fiara vaventy, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany
. J. Mirija
Haharaisana fitarainana hatrany ny tsy fanarahan-dalana hataon’ireo taksibe eto
Olona 2 no fantatra fa namoy ny ainy tao anatin’ny herinandro teto amintsika