airtel

Fifamoivoizana

24-févr-2022

Fifamoivoizana

Lozam-pifamoivoizana Be loatra ny maty sy maratra

Sample post image

Lozam-pifamoivoizana roa no indray niseho teto an-drenivohitra omaly alarobia 23 febroary. Tapaka hisatra ilay fiara fitateram-bahoaka zotra faha 183 rehefa nivoaka ny tionelina Ambohidahy omaly maraina tokony ho tamin’ny 8ora sy sasany teo.

24-févr-2022


Mpitondra moto sy bisikileta roa no lasibatra ary naratra mafy vokatr’ity lozam-pifamoivozana. Tafasisika tao ambanin’ilay fiara fitateram-bahoaka ny mpitondra moto sy ilay olona nentina avy aoriana. Ireo bisikileta kosa izay voatery anelanelan’ny zotra 183 sy fiara mitondra marika BMW izay anisan’ireo voadona nidina avy any Ambohijatovo ambony. Vaky ny lohan’ireo nitondra moto raha ny fitantaran’ireo olona nanatri-maso . Ireo teny ambony bisikileta koa izay voatery dia nitondra takaitra. Fotoana vitsy taorian’ny, niparitaka teo amin’ny tany ny ran’ireo niharan-boina. Raha ny fantatra dia namoiny ny ainy ilay nitondra moto vaky loha rehefa tonga teny amin’ny hopitaly. Avy nanatitra ny zanany nianatra io raim-pianakavina io no amonjy ny fiasany izao tra-doza. Tafiakatra roa ny namoy ny ainy noho ity loza ity, raha ny vaovao vonjimaika azo. Telo ny lehilahy ary vehivavy iray tamin’ireo olona voadon’io fiara fitateram-bahoaka. Nilaza hatrany anefa ireo olona nanatri-maso fa nandeha mafy niala ny fitohanana io fiara fitateram-bahoaka ka teo no nitrangan’ny loza. Nentin’ireo sampana mpamonjy voinan’ny kaomina avy hatrany teny amin’ny hopitaly ireo olona efatra naratra mafy ary nentina notazonina eny amin’ny biraon’ny mpitandro filaminana kosa ilay mpamily. Nampivarahontsana ity loza niseho tetsy Analakely ity.
FIARABE TAPAKA HISATRA
Teny Ankadimbahoaka indray, fiara lehibe iray izay tapaka hisatra ihany koa no nifatratra tamin’ireo mpivarotra rehefa nihemotra. Vokany, tapaka ny tongon’ilay vehivavy teo amin’ny sisin-dalana nivarotra ary fiara “taxi” iray no voatsindry tao amban’ilay fiara lehibe. Marihina fa fiara lehibe nitondra “contenneur” ity nitera-doza ity. Ilaina ny fitandremana sy ny fanaraha maso ireo fitaovam-pitaterana ampiasana satria efa saika isan’andro no ahitana ity fandratrana sy fahafetesan’olona. Mila hamafisina hatrany ny fisavana ataon’ny mpitandro ny filaminana amin’ireo fitaovam-pitaterana mivezivezy eto an-drenivohitra.
Tolin
 

Dans la même rubrique

02-mai-2024

Manana kaompania fa tsy manana fiaramanidina ! Nakatona nanomboka omaly 01 mey

Card image cap
02-mai-2024

Nisehoana lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona teny amin’ny Digue Ampitatafika omaly hariva efa madiva ho alina

Card image cap
30-avril-2024

Tsy nijery fotsiny fa nanao ny adidy tandrify azy manoloana ilay lozam-pifamoivoizana nitranga tao Ambatofolaka,

Card image cap