airtel

Fifamoivoizana

17-nov-2022

Fifamoivoizana

Lozam-pifamoivoizana eny an-dalambe Nampianarina ireo mpampiasa lalana any Alaotra Mangoro

Sample post image

Nampahafantatra sy nampianatra momba ny « accident de circulation » na ny lozam-pifamoivoizana eny an-dalana

17-nov-2022

tamin’ireo mpampiasa lalana tao amin’ny fari-piadidiany ny ny Polisim-pirenena miasa ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Filaminam-bahoaka Alaotra Mangoro teo hahafahana misoroka izany. Teny amin’ny lalam-pirenena faha-44 no nanaovana ny hetsika ka toerana telo no nametrahana ireo Polisy nanazava izany. Anisan’ireny ny teo Ankazotsaravolo PK153 sy Fierenana PK 126 ary tao Marovoay kaominina ambanivohitra Morarano Gare ho an’ny kaomisaria CSP Moramanga. Nahatratra 182 ireo fiara voaara-maso nifamezivezy izay nomena toro-marika manokana amin’ny fampiasana iny lalana iny. Nahitana karazana fiara maro toy ny taxibrosy rezinaly miisa 20, taxi brosy nasionaly miisa 25 , kamiao lehibe miisa 32, fiara tsotra miisa 35, fourgonnette miisa 29, moto miisa 29 ary motoculteur miisa 06 nandritra izany.
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique

22-mai-2025

Haharaisana fitarainana hatrany ny tsy fanarahan-dalana hataon’ireo taksibe eto

Card image cap
22-mai-2025

Nifampitadiavana ny vatana sy lohan’ilay mpandeha an-tongotra

Card image cap