airtel

Fifamoivoizana

24-janv-2024

Lozam-pifamoivoizana mahatsiravina

Nandriaka indray ny rà tany amin’ny RN2

Sample post image

Nisehoana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina indray tany amin’ny RN2,

24-janv-2024

afaka kelin’i Mandraka raha avy any Toamasina, omaly tokony ho tamin’ny 4ora tolakandro. izay nitranga tamin'ny RN2. Fiara taksibrosy marika sprinter taksibrosy mampitohy an’i Moramanga sy Antananarivo laharana 1119 TBG an’ny Koperativa Mami sy kamio lehibe iray laharana 0047 TAF avy aty Antananarivo voalaza fa tapaka « rotule » no nifandona teo amin’ny PK 66 + 500 Mandraka, kaomimina Ambatolaona, Distrikan'i Manjakandriana. Nivadika ity taksibrosy ity, ka maro be ireo naratra. Nisy ireo olona nihapatrapatra nifampisokirana avy tao anatiny, izay voa mafy ny ankamaroany, nisy ny tsy nahatsiaro tena. 1 namoy ny ainy ,10 naratra mafy, raha ny vaovao azo tokony ho tamin’ny 6ora sy sasany hariva. Nentina tao amin'ny Tranom-paty CHRD Manjakandriana ny nofo mangatsiak'ilay namoy ny ainy. Efa eo am-pelantanan'ny mpitandro ny filaminana kosa ny mpamilin'ilay kamio. Tsy vao sambany ny loza mahatsiravina amin’ny RN2 izay isan’ny be mpampiasa indrindra eto Madagasikara, raha tsy hilaza an’ilay tranga mitovitovy amin’izao ny aogositra 2023 teo Marovoalavo, izay nisiana fiara taksibrosy roa nifanehitra tamin’ny kamio, ka olona efa ho am-polony no namoy ny ainy tao anatin’izany. Ilaina hatrany ny mitandrina satria ny làlana ratsy sy malama noho ny fotoam-pahavatra.
Toky R
 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

Fetin’ny Pentekosta hieren-doza, io no tanjon’ny antokon-draharaha misahana ny

Card image cap
15-mai-2024

Mirongatra sy mahazo vahana ny lozam-pifamoivoizana eto amintsika.

Card image cap
15-mai-2024

Tranga roa samihafa no niseho teto amintsika Omaly Talata 14 May mikasika ny tsy fanarahan-dalana

Card image cap