airtel

Fifamoivoizana

19-sept-2022

Fifamoivoizana

Lozam-pifamoivoizana Namono olona indray ny RN4 sy RN7

Sample post image

Nandriaka ny rà ny faran’ny herinandro teo noho ny lozam-pifamoivoizana mahatsiravina, ka isan’ny nisongadina ny teny amin’ny làlam-pirenena faha-4 sy ny tany amin’ny làlam-pirenena faha-7.

19-sept-2022

Fiara tsy mataho-dàlana niloko mena no nifanehitra tamin’ny fiara mpitatitra solika teo anelanelan’I Manerinerina sy Ankazobe. Olona 3 no tao anatin’io fiara kely io ka ny roa naratra mafy efa nentina tany amin’ny Hopitalin’Ankazobe. Ny mpamily kosa maty teo noho eo. Tany amin’ny RN7 kosa, fiara mazda mpitatitra olona hiazo an’i Fort Dauphin no nifanehitra tamin’ny kamio, ka voatsindry tao ambanin’io ilay fiara nitatitra olona. Maty vokatr’izany ny mpamily sy vehivavy lehibe iray, ary nisy ankizy tapa-tongotra ihany koa, raha ny vaovao avy any an-toerana. Entanina hitandrina hatrany ny mpampiasa fiara na amin’ny lafiny ara-pamiliana na ara-mekanika satria tena sesilany ny loza mahatsiravina izay matetika noho ireo antony roa ireo.
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-avril-2025

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray tany amin’ny lalam-pirenena fahafito

Card image cap
17-avril-2025

Potika tanteraka ny lalana etsy Ankadilalana Ampitatafika raha avy any Vinany,

Card image cap