ny laharana 9380 FE mampitohy an’Antananarivo sy Faradofay no lasibatra tamin’izany. 15 km tsy hidirana an'Ihosy izy io no tra-doza raha avy any Ankaramena. Mihoatra ny 10 kosa ireo naratra izay efa namonjy ny hopitalibe ao Ihosy hatramin’ny fotoana nanoratanay omaly hariva. Raha araka ny loharanom-baovao azo hatrany moa dia niala tamin’ny fiara iray nifanena taminy ny mpamily ity taxi brousse ngezabe ity. Nihorirana ary nivadika ilay fiara vokatr’izany, antony niteraka ireo aina nafoy miisa roa sy ireo mihoatra ny 10 naratra mafy. Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro ny filaminana any an-toerana moa ny raharaha. Misokatra ny fanadihadiana.
Nangonin’i Pati
Legende : Tahaka izao ny nanjo ilay fiara
Haharaisana fitarainana hatrany ny tsy fanarahan-dalana hataon’ireo taksibe eto
Olona 2 no fantatra fa namoy ny ainy tao anatin’ny herinandro teto amintsika