airtel

Fifamoivoizana

24-avril-2023

Fifamoivoizana

Lozam-pifamoivoizana teny Tsarasaotra

Sample post image

Nidona tamina takela-by fanaovana dokam-barotra ilay moto

24-avril-2023

Mpinamana roalahy 26 sy 27 taona antsoina hoe : Mamy Harivola sy Miahy Mionona samy mipetraka eny Ampasampito no fantatra fa niara-namoy ny ainy ny sabotsy teo rehefa nandeha moto. Nandeha lala-mahitsy nizotra nankany Ivato izy roalahy ireto ary voalaza fa tena nandeha mafy. Mbola nanamafy izany rahateo ny zandary sy ny dokotera avy ao amin'ny CSB2 Ambatolampy Tsimahafotsy tonga nizaha ny razana. Tsy tafahodina anefa izy ireo nandritra izany ka nandona andrin-takela-by fanaovana dokam-barotra iray. Somary mafimafy ilay dona ka nikipily hatrany amin'ny 80 metatra miala ny arabe izy ireo ary nifatratra tany anaty rano. Teo amin’ny sampanana Ambodifasina lalana Tsarasaotra ivato no nitrangan’ny loza. Olona sendra nandalo no nampandre ny zandary tamin’ny Sabotsy teo tokony ho tamin’ny 7 ora maraina. Efa nisandrahaka tsy nisy aina intsony tao anaty rano tao Vavafolo Ambodofasina izy mirahalahy ireto noho izany vao hita ka tsy nisy azo natao intsony. Moto marika Yamaha , amin’ilay matanjaka moa no nentin’izy ireo tamin’izany.
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

Afaka roa volana indray dia mety ho tapaka ny lalam-pirenena faharoa, raha araka ny fitarainan’ireo

Card image cap
21-oct-2024

Nitrangana lozam-pifamoivoizana tao Antsahafiraisana, Fokontany Andriambilany ,

Card image cap