airtel

Fifamoivoizana

01-juin-2023

Fifamoivoizana

Madagascar Airlines 34 tapitrisa Euros no trosa hatreto

Sample post image

Hatramin'izay nisian’ny kaompania Madagascar Airlines, izay kaompaniam-pitaterana anabakabaka vaovao nanolo ny Air Madagasikara dia 2,5 tapitrisa Euro isam-bolana ny trosany,

01-juin-2023

izany hoe raha atotaly hatreto dia 34 tapitrisa Euro, raha ny loharanom-baovao voaray mikasika ny tati-pivorian’ireo mpiara-miombon’antoka sy mpitantana na «Compte-rendu de la réunion des Instances Représentatives du Personnel/ Direction Générale» ny 26 may 2023 teo. Araka ny hita tanatin’ity tatitra izay efa niparitaka tanaty tambazotran-tserasera hatramin’ny omaly hariva ity dia mbola mitohy manofa fiaramanidina ATR miisa 5 ny kaompania nefa ny 2 amin’ireo ihany no azo ampiasaina. Mbola ananan’ny mpampindrana 16 tapitrisa Euro, noho izany, ny kaompania raha ny mikasika an’iny fotsiny. Mitotaly 34 tapitrisa Euro kosa ny trosa manontolo, izany hoe 2,5 tapitrisa isam-bolana. Nanariana vola mitentina 350.000 Euro isaky ny miodina ny fampiasana ny ACMI fotsiny. Tanjona ankehitriny ny hamerenana ny volan’ireo mpiara-miombon’antoko toy ny mpandraharaha ara-tsolika, mpampindrana, mpampanofa. Vahaolana ny findramam-bola amin’ny banky na sampan-draharaha ara-bola na orinasa mpiara-miombon’antoka amin’ny fanjakana raha toa tsy afaka miantehitra amina famatsiana noho ny fiaraha-miombon’antoka aty amin’ny sehatra tsy miankina. Olana ny tsy fisiana hetsika mazava momba ny famatsiana hoavy. Miankina amin’ny fanjakana avokoa ny fifanarahana rehetra. Tsy misy vahaolana fohy ezaka mbola azo tarafina ary mbola baraingo ny fandraisana ireo mpiasa ho raikitra na CDI. Tsy afaka manena fandaniana mihoatra an’izao intsony anefa, raha ny famintinana ny voarakitr’ity tatitra ity.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

16-avril-2024

Tena tsy maharaka ny filan’ny mponin’Itaosy intsony ny isan’ireo taxibe miasa eny an-toerana.

Card image cap