airtel

Fifamoivoizana

19-juil-2022

Fifamoivoizana

Mamo nitondra fiara Nanimba fananan’olona dia nitsoaka fa tratra ihany

Sample post image

Nitrangana toe-javatra mampalahelo teny amin’iny faritra Andoharanofotsy iny ny 15 Jolay lasa teo. Lehilahy iray efa mamo no nitondra fiara tsy mataho-dalana iray.

19-juil-2022

Notrongisiny nandritra izany ny moto kymco g5, vitrine ana mpivarotra teo amin'ny manodidina ary fiara peugeot 505 iray nijanona teny an-toerana. Teo akaikin’ny Simad teny Ankaraobato no nitrangan’ity loza ity tokony ho tamin’ny 04 ora sy sasany hariva. Lasa nandositra avy hatrany ilay mpamily rehefa avy nandona ireo fiara sy fananan'olona ireo ary nahatsikaritra fa maromaro ny entana simba. Nandray ny andraikiny kosa ireo Polisy niasa teny amin'ny manodidina raha vantany vao nahare ilay tranga. Nenjehina ka tratra tsy lavitra teo ilay mpamily izay efa tsy tompon'ny tenany intsony noho ny alikaola be loatra nosotroiny. Nentina nanaovana fanafihadiana avy hatrany ity farany ka efa nahazo ny sazy famaizana sahaza azy.
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique

06-mai-2024

Hatezerana ny an’ny mpandraharaha iray ny zoma teo rehefa nolazaina fa foana ny zotra tokony

Card image cap
06-mai-2024

Efa amam-bolana izao no mitodika amin’ny fanavaozana sy fanamboarana ireo foto-drafitrasa misy

Card image cap
06-mai-2024

Mahatratra dimy isan-kerinandro raha kely ny lozam-pifamoivoizana ateraky ny fitaingenana

Card image cap