Azo ambara ho miha mahazo vahana ny posy, na ny marimarina kokoa, ny fitateran’olona amin’ny alalan’ny posy tarihin-tanana amin’izao fotoana izao. Na eo aza ny famerana amin’ny ankapobeny ny amin’ny tsy hitateran’izy ireny amin’ireo lalana vita tara na «goudron» dia mahita mandra-paharivan’ny andro, fara-faha keliny, 10.000Ariary tombony ireo mpitatitra, raha ny fanadihadiana natao. 1000 Ariary no saran-dalana ho an’olona iray, amin’ny ankapobeny, hoy ny mpitatitra eo amin’ny manodidina iny Volotara Ambohimanala, Andoharanofotsy, iny. Miezaka ny miady any amin’ny fiadidiana ny kaominina ihany izahay, hoy izy, mba hahafahana manitatra ny lalana azo hiasana satria efa iaraha-mahalala fa mafy ny fiainana ary izahay koa mba te hitady.
Nangonin’i J. Mirija
Notanterahina tamin’ny fomba ofisialy teny amin’ny tokotanin’ny CCI Ivato omaly talata 24 jona 2025
Tsiahivina fa ny Alatsinainy 16 Jona teo no niainga avy tao Mahajanga ny
Zava-doza no nitranga teny amin’ny toerana antsoina hoe "Coca",