mampitohy an'i Mahanoro-Mananjary
Mampikaikaika ireo mpitatitra mampitohy an'i Mahanoro-Mananjary ny zotra amin'ny lakandranon'ny Pangalana. Efa telo andro izao ny lakana no tavela tao amin'ny Fokontany Ambalavontaka Kaominina Masomeloka Distrikan'i Mahanoro Faritra Atsinanana fa marivo ny rano. Manao tanamaro ny lakana manala ny namana miraikitra. Voatery ampidinina avy ao anaty lakana ireo entana amin'ny taonina vao afaka mandeha. Asa be, miteraka fatiantoka ihany koa. Mijaly ny mpandeha mandritra izany. Ny sakafo tsy misy, ka anaovan'izy ireo antso amin'ny fanjakana mba hamahana ny olana. Herinandro lasa izay dia nanao hetsika fanairana, nanome 72ora ny APMF na Antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-dranomasina sy an-dranomamy ireo mpanao asa fitaterana amin'iny lakandranon'ny Pangalana iny mba hisavana sy hanalana ireo zavamaniry manentsina ny lakandrano. Nanao fampitam-baovao moa ny APMF taorian'io fa misy fampiasana fitaovana sy asa tanamaro atao hisavana an'iny Pangalana iny. Etsy ankilany dia efa betsaka ihany izay vola re fa navoaka nanaovana ity lakandrano Pangalana ity raha ny hatramin'ny 2016 no mankaty fa toa safosafo sy asa be faktiora fotsiny angamba. Ny lalam-pirenana anefa tsy mahafapo.
Jean D.
Ireo lakana mihitsoka ao Ambalavontaka - Masomeloka